FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY MASOIVOHON’I TURQUIE MIASA SY MONINA ETO MADAGASIKARA.

Tonga nitsidika tamin’ny fomba am-panajana an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Torkia, miasa sy monina eto Madagasikara, SEM Nuri Kaya BAKKALBAŞI, ny alakamisy faha 12 Mey 2022, teto Ambohijatovo.

Niarahaba sy nirary soa an’Andriamatoa Minisitra ny tenany ary nanao jery todika ny fiaraha-miasa efa nisy sy hotohizana.

Nandritra ny fihaonana dia samy nanamafy ny fahavononana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena ny firenena roa tonta, indrindra amin’izao ankatokin’ny fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 izay hatao eto amintsika ny taona 2023 izao.

Niompana indrindra tamin’ny lafiny foto-drafitrasa ara-panatanjahantena handraisana ny lalao, ny fandefasana manam-pahaizana ara-panatanjahantena aty Madagasikara ary ny fandefasana mpanao fanatanjahan-tena malagasy hanoman-tena any Torkia , ny fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra izay natao.

Nisaotra ny Ambasadaoron’i Torkia, Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto amin’ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay ary manantena ny hitohizan’izany hatrany.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.