FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY MASOIVOHOM-PIRENENA MISOLON-TENA MAHARITR’I MADAGASIKARA EO ANIVON’NY UNESCO AO PARIS.

Tonga nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy an’Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena anio 16 Septambra 2021 tao amin’ny biraony teto Ambohijatovo i Ramatoa Yvette SYLLA, Masoivohom-pirenena, misolontena  maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO any Paris.

Fihaonana nahafahan’ny roa tonta nifampiresaka ny hamerenana ny fiaraha-miasa eo amin’ny UNESCO sy ny Firenena Malagasy fa indrindra amin’ny alalan’ny  Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

« Betsaka ny zavatra nifampiresahana ary resy lahatra izahay fa tsy ho ela dia hiverina izany fiaraha-miasa izany » hoy Andriamatoa Minisitra.

« Hiaraha-mahalala fa ny  UNESCO dia sampana eo anivon’ny firenena mikambana izay misahana ny fanabeazana sy ny fampianarana, ka ny fanabeazana no  nifampiresahana tamin’Andriamatoa Minisitra anio satria betsaka amin’ny fanabeazana ny tanora no azo atao amin’ny alalan’ny Fanatanjahantena.

Taorian’ny valan’aretina Covid-19 dia betsaka ny zavatra hiova ka ny Fanatanjahantena dia anisany fanoitra ahafahantsika mivoatra, ka vonona amin’ny fiaraha-miasa ny UNESCO » hoy i Ramatoa Yvette SYLLA.

Autre Articles

Fifaninanana Robotika

Fifaninanana Robotika

Nahafaly ahy ny nandray ireo tanora 7 hisolo tena an'i Madagasikara any Estonie amin'ny Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny Robotika. Isaorana ny Stem 4 Good izay nampiray ireto tanora avy amin'ny faritra isan-karazany eto Madagasikara. Hanampy azy ireo ny...

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin'ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo...