Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny Filohan’ny Confédération Africaine de Handball teto Ambohijatovo.

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana tamin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, MARSON MOUSTAPHA Abdulah, ny Filohan’ny Confédération Africaine de Handball, Andriamatoa AREMOU Adolphe Mansourou, ny 30 may 2025.

Nandritra ity fihaonana ity dia niompana tamin’ny fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Confédération, ny Minisitera, ary ny Federasiona Malagasy ny Handball ny resaka nifanaovana. Nohararaotina ihany koa ny fotoana nijerena akaiky ireo paikady sy vina hanohanana ary hampandrosoana ity taranja ity eto Madagasikara.

Naneho fankasitrahana manokana i Andriamatoa AREMOU tamin’ny fahaiza-manaon’i Madagasikara amin’ny fikarakarana sy fandraisana hetsika ara-panatanjahantena iraisam-pirenena. Nankasitraka manokana ihany koa izy ny fanjakana Malagasy noho ny fankatoavana amin’ny fomba ofisialy ny fandraisana ny lalao iraisam-pirenena IHF ho an’ny sokajy U17 sy U19 eto amin’ny Nosy.

Autre Articles

Fihaonana COP 30 any Brésil

Fihaonana COP 30 any Brésil

Mandray anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena mahakasika ny fiovaovan’ny toetrandro ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain Désiré izay tanterahina any Belém Brésil. Zava-dehibe ho an’ny tanora ny fandraisana anjara satria manana anjara...