FITSIDIHAM-PARITRA : AKON’NY DIAN’NY MINISITRY NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA TANY AMIN’NY FARITRA ATSINANANA SY ANALANJIROFO

Nanatontosa fitsidihana tany amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ny farany herinandro lasa teo, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Atoa MAMOD’ALI Hawel sy ireo delegasionina niaraka taminy.

Maro ireo foto-drafitr’asa notsidihan’izy ireo, toy ny kianja, Kianja mitafo, dobo filomanosana ao amin’ny CJST Toamasina, izay hita fa tokony hisy fanamboarana sy fanatsarana tokony ho atao, Ka nampanantena ny Ministra ny hanaovana izany fanatsarana izany.

Teo ihany koa ny kianja manarapenitra tao Fenoarivo Atsinanana, ary nijery ny asa izay eo andalam-panamboarana, dia ny kianja mitafo izay mahazaka mpijery 1.000 isa.

Tsy latsa-danja nandritra izany fitsidihana izany, ny fandalovana nijery ireo mpiara-miasa ao amin’ny Fitaleovam-paritra Analanjirofo sy ny « plateau sportif » ary ny tranoben’ny tanora ao an-toerana.

Hita arak’izany fa miezaka hatrany ny Minisitra midina ifotony mijery sy manara-maso ireo asa tokony mbola hovitaina ho fanatanterahana ny velirano mifandraika amin’ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Autre Articles

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...