FITOKANANA NY KIANJA FILALAOVANA TSIPY KANETIBE MANARAPENITRA « FITARATRA 2023 » TONGARIVO TANJOMBATO.

Notokanana anio, Zoma 20 Aogositra 2021 ny kianja filalaovana tsipy kanetibe manarapenitra mitondra ny anarana « FITARATRA 2023 » eto Tongarivo, Tanjombato.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany fotoan-dehibe izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena vaovao Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI, ny governoran’ny faritra Analamanga, ny lehiben’ny district Atsimondrano,ny ben’ny tananan’ny Kaominina Tanjombato,ny solombavambahoaka ,ny VPAN avy any Mahajanga ary ny Filohan’ny federasiona Malagasy ny Tsipy kanetibe sy ireo manampahefana isan-tsokajiny.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony no nanehoan’Atoa Minisitra ny fisaorana ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny Praiministra NTSAY Christan tamin’ny fanendrena azy hitantana io departemanta io. Nankasitraka ny ezaka ataon’ny ben’ny tanànan’ ny Kaominina Tanjombato sy ny Solom-bavambahoakan’ Atsimondrano Andry Ratsivahiny ny tenany amin’ny fanamboarana fotodrafitr’asa toy izao izay mifanaraka indrindra amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny filoham-pirenena faha-13.

« Asa fa tsy kabary ary miasa ho an’ny vahoaka » hoy ny Minisitra.

Manaraka izany dia nambarany fa efa manao izay tandrify azy ny fitondram-panjakana amin’ny fanamboarana fotodrafitr’asa manarapenitra manerana ny Nosy. Ary nanentana ireo solombavambahoaka rehetra izy ny amin’ny fanamboarana fotodrafitr’asa toy izao ihany koa. Nampanantena izy fa hiezaka hamaly ny hetahetan’ny federasiona anisan’izany ny taranja tsipy kanetibe.

Nentiny namaranana ny fandraisam-pitenenana nataony ny filazana ny fahavononan’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena amin’ny fanatanterahana ireo vina sy fanamby rehetra napetraky ny Fitondram-panjakana Malagasy.

Lalao ara-pirahalahiana nihaonan’ireo manam-pahefana no namarana ny fandaharam-potoana.

Autre Articles

LUTTE : CHAMPIONNAT NATIONAL PAR EQUIPE

LUTTE : CHAMPIONNAT NATIONAL PAR EQUIPE

Ce dimanche 10 février 2019, la Fédération Malgache des Luttes et disciplines a procédé au  coup d’envoi de la saison 2019 au gymnase couvert d’Ankorondrano. Ce qui a marqué cet évènement c’est que c’est la première fédération qui a ouvert sa saison par un...

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Afin d’ouvrir la saison sportive, la Fédération Malagasy de l’Athlétisme (FMA) a organisé une course ouverte au public, « l’athlétisme pour tous ».  Celle-ci a eu lieu ce dimanche 03 février 2019 au tour du lac Anosy. La course  a pour but defaire...