FIOFANANA MAHAKASIKA NY VINA, FANABEZANA ARA-BOLA, FANDRAHARAHANA.

Nitohy ny faha 30 septambra 2022 tetsy Ankorondrano ny fampiofanana izay natokana ho an’ireo Tanora avy ao amin’ny FIMPITENOTA, Fikambanan’ny Mpianatra Terak’i Nosy Be eto Antananarivo. Nahitana mpikambana lahy sy vavy miisa 22, izay mpianatra eny Ankatso, CNTEMAD, UCM, IMT, sy foibe maro samihafa.

Ny tanjon’ny fampiofanana dia ny fampahafantarana ny atao hoe VINA Izay tsy maintsy faritana amin’izao fahatanorana izao. Teo koa ny fanabeazana ara-bola izay tsy maintsy itaizana ny rehetra fa indrindra ny tanora mba hahafahany miatrika fiainana. Farany dia niresaka ny Fandraharahana sy ny tontolony izay sehatra iray hahafahan’ny tanora mahatratra ny vinam-pihariana eo amin’ny fiainana.

Nitarika izany ny Tale misahana ny Fandraharahana sy ny Fampananana asa ny Tanora, Ramatoa Arlette RAHAJARIJAONA sy ireo mpiara-miasa aminy.

Tamin’ny fandraisam-pitenenany no nisaorany an’ireto tanora ary nanamafisany ny maha-zava-dehibe ny fanofanana toy izao mba ho fampiroboroboana ny sehetra misy azy ireo.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia mampahery sy manosika ny tanora rehetra mba ahafahan’izy ireo manatanteraka ny andraikiny eo amin’ny sehatra sahaniny.

Izao fampiofanana izao no tanteraka nohon’ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny Fitaleovan’ny Fampiroboroboana ny Alavoly (DPL) sy ny Fitaleovan’ny Fampananan’asa ho an’ny Tanora (DEEJ) ary ny Fitaleovana misahana ny Fahasalamana ara-pananahana sy Fiarovana ny Tanora (DSRPJ) eto anivon’ny Minisitera.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.