FIOFANANA MAHAKASIKA NY VINA, FANABEZANA ARA-BOLA, FANDRAHARAHANA.

Nitohy ny faha 30 septambra 2022 tetsy Ankorondrano ny fampiofanana izay natokana ho an’ireo Tanora avy ao amin’ny FIMPITENOTA, Fikambanan’ny Mpianatra Terak’i Nosy Be eto Antananarivo. Nahitana mpikambana lahy sy vavy miisa 22, izay mpianatra eny Ankatso, CNTEMAD, UCM, IMT, sy foibe maro samihafa.

Ny tanjon’ny fampiofanana dia ny fampahafantarana ny atao hoe VINA Izay tsy maintsy faritana amin’izao fahatanorana izao. Teo koa ny fanabeazana ara-bola izay tsy maintsy itaizana ny rehetra fa indrindra ny tanora mba hahafahany miatrika fiainana. Farany dia niresaka ny Fandraharahana sy ny tontolony izay sehatra iray hahafahan’ny tanora mahatratra ny vinam-pihariana eo amin’ny fiainana.

Nitarika izany ny Tale misahana ny Fandraharahana sy ny Fampananana asa ny Tanora, Ramatoa Arlette RAHAJARIJAONA sy ireo mpiara-miasa aminy.

Tamin’ny fandraisam-pitenenany no nisaorany an’ireto tanora ary nanamafisany ny maha-zava-dehibe ny fanofanana toy izao mba ho fampiroboroboana ny sehetra misy azy ireo.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia mampahery sy manosika ny tanora rehetra mba ahafahan’izy ireo manatanteraka ny andraikiny eo amin’ny sehatra sahaniny.

Izao fampiofanana izao no tanteraka nohon’ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny Fitaleovan’ny Fampiroboroboana ny Alavoly (DPL) sy ny Fitaleovan’ny Fampananan’asa ho an’ny Tanora (DEEJ) ary ny Fitaleovana misahana ny Fahasalamana ara-pananahana sy Fiarovana ny Tanora (DSRPJ) eto anivon’ny Minisitera.

Autre Articles

FEDERASIONA MALAGASY NY TARANJA TENNIS: FIFIDIANANA FILOHA

FEDERASIONA MALAGASY NY TARANJA TENNIS: FIFIDIANANA FILOHA

Notontosaina anio asabotsy faha-11 desambra tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fididianana izay ho filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja tennis. Kandidà 2 mianadahy no nilatsaka ho fidiana tamin'izany. Voafidy ho filoha vaovao, Atoa...

FÉDÉRATION MALAGASY MUAY-THAI: FIFIDIANANA FILOHA

FÉDÉRATION MALAGASY MUAY-THAI: FIFIDIANANA FILOHA

Notanterahina omaly tolakandro, tao amin’ny Palais des Sports Mahamasina ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona Malagasy ny Muay-Thaï (FMMT). Kandida tokana (1) no nilatsaka hofidiana, ka lany hitantana izany federasionina izany mandritra ny 4 taona indray Atoa...

FÉDÉRATION MALAGASY HANDBALL: FIFIDIANANA FILOHA

FÉDÉRATION MALAGASY HANDBALL: FIFIDIANANA FILOHA

Notontosaina androany 5 desambra tao amin’ny Restaurant Le Pavé Antaninarenina ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiaona Malagasy ny Handball. Fifidianana izay natrehan'ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay notarihin-dRamatoa Tale Jeneralin’ny...