FIKAMBANANA IRAISAM-PIRENENA AMIN’NY ADY ATAO AMIN’NY FAMPIASANA FANAFODY MAMPATANJAKA EO AMIN’NY FANATANJAHANTENA (AMA) : TAFIDITRA HO MPIKAMBANA ANATY FITANTANANA I MADAGASIKARA.

Tafiditra ho mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny  » Association Mondiale Antidopage  » i Madagasikara amin’ny alalan’Atoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena.

Firenena Afrikanina miisa 3 ihany no tafiditra ao anatin’ity rafi-pitantanana ity, dia i Ghana, Egypte ary Madagasikara.

Hanomboka ny faha-01 Janoary 2022 ny handraisana izany andraikitra vaovao izany ary haharitra 3 taona.

Anisany votoantin’ny asa izay hatao ny fanatsarana ny politika mahakasika ny ady maneran-tany eo amin’ny fampiasana fanafody mampatanjaka hoan’ny mpanao fanatanjahantena, ny fampanaovana fiofanana ireo tompon’andraikitry ny fitiliana mifandraika amin’izany sy fijerena ary fanavaozana ireo fanafody tsy azo ampiasaina.

Ny AMA dia miara-miasa amin’ny rafitra ara-panatanjahantena iraisam-pirenena rehetra, mandray anjara tanteraka amin’ny lalao iraisam-pirenena rehetra, ary manatanteraka fitiliana tsy ara-potoana koa amin’ireo mpanao fanatanjahantena rehetra tsy ankanavaka.

Ny tanjona dia ny mba hananana fanatanjahantena madio.

Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fipetrahany anatin’ny rafitra iraisam-pirenena satria mifameno tanteraka amin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay mametraka ny hamerenana indray ny hambompom-pirenena amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena izay tanterahina amin’ny sehatra maro.

Autre Articles

LALAON’NY FRANKOFONIA: FANDRAISANA IREO DELEGASIONA

LALAON’NY FRANKOFONIA: FANDRAISANA IREO DELEGASIONA

Noraisin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, tao amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina ny faha 9 Aogositra 2023 ireo delegasiona Malagasy avy niatrika ny lalaon’ny Frankofonia andiany faha 9 izay natao tany Kinshasa, République Démocratique du Congo. Nandritra...

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

Ireo fandaharam-potoana mahakasika ny fankalazana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Tanora na "Journée Internationale de la Jeunesse (JIJ) izay tanterahina any Morondava: 9,10,11 Aogositra: Fiofanana mahakasika ny Lifeskills Fanoitra 11 Aogositra:...

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

Hankalazaina ny 9 hatramin’ny 12 Aogositra ho avy izao ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Tanora na ny "Journée Internationale de la Jeunesse (JIJ)",izay ho tanterahina any Morondava. "Tanora mampanjary tontolo maitso, antoky ny fampandrosoana maharitra sy lovan-jafy...

LALAON’NY FRANKOFONIA: FITSENANA IREO DELEGASIONA

LALAON’NY FRANKOFONIA: FITSENANA IREO DELEGASIONA

Tafaverina an-tanindrazana ny 08 Aogositra 2023 ireo delegasiona Malagasy izay nitondra avo ny voninahim-pirenena nandritra ny lalaon'ny frankofonia izay natao tany Kinshasa, République Démocratique du Congo. Laharana faha 13 no misy an'i Madagasikara ary nahazo...