Fihaonana teo amin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Ambasadaoron’i Inde

Ambohijatovo, 30 may 2025. Nandray an’Andriamatoa Badaru WILSONBADU, Ambasadaoron’i Inde eto Madagasikara, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah, ny 30 may 2025 tao amin’ny biraony tetsy Ambohijatovo.

Nifantoka tamin’ny fanamafisana sy fanitarana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Inde ny dinika, indrindra amin’ny sehatry ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Anisan’ny lohahevitra lehibe noresahana ny:

  • Fandraisana anjara amin’ny hetsika Yoga izay ho tanterahina any Morondava, eo amin’ny Allée des Baobabs, amin’ny 13 jona 2025
  • Fankalazana ofisialy ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Yoga, izay hatao ny 21 jona 2025 eny amin’ny Kianja Alarobia, miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vadin’ny filoham-pirenena, Ramatoa Mialy RAJOELINA sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Nampahafantatra ihany koa ny Ambasadaoro ny amin’ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Minisitera amin’ny sehatra maro, anisan’izany ny fanavaozana ny Akademia Nasionaly ho an’ny Fanatanjahantena.

Ity fihaonana ity dia porofo maneho ny fahavononan’ny roa tonta hanamafy sy hanitatra ny fiaraha-miasa maharitra ho tombontsoan’ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara.

 

Autre Articles

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Notanterahana tao amin'ny kianjan'ny kanto Mahamasina ny alahady 6 aprily 2025 ny andiany voalohany amin'ny Morengy Iarivo. Afa-po tanteraka ireo mpankafy ity taranja ara-panatanjahantena tentim-paharazana ity satria dia nomen-danja tanteraka ity taranja ity tamin'ny...