FIHAONANA TEO AMIN’NY FILOHAN’NY FEDERASIONA NY TARANJA TSIPY KANETIBE

Araka ny kabary izay nataon’ Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA amin’ny fampiroboroboana ny taranja Tsipy kanetibe, dia tonga nitafa sy nidinika niaraka tamin’Andriamatoa minisitra André Haja RESAMPA, tao Ambohijatovo ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja tsipy Kanetibe, Andriamatoa ANDRIALEMIROVASON Amiroudine, ny 24 febroary 2023.

Noresahina tao anatin’izany ny hanatanterahana ny « Coupe du Président  » izay hatao eny anivon’ny faritra 23, izay iarahan’ny Ministera sy ny Federasiona ary ny Governoram-paritra.

Anisany voaresaka ihany koa ny momba ny foto-drafitrasa ho an’ny taranja tsipy kanetibe izay hojerena akaiky ny fomba mety hanatanterahana azy miainga amin’ny fijerena toerana.

Naneho ny fahavononany ny roa tonta amin’ny fiaraha-miasa sy ny hijerena ny hoavin’ny taranja tsipy kanetibe, izay taranja isany tena mampisongadina an’i Madagasikara indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.