FIHAONANA TAMIN’NY MASOIVOHON’ I KOREA

Nihaona tamin’ny masoivohon’i Korea monina sy miasa eto Madagasikara, Andriamatoa SON Yongho, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA ny faha 12 may 2023 lasa teo.

Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta eo amin’ny taranja Taekwondo no votoanton-dresaka tamin’ny fihaonana ary ny fikarakarana ny coupe de l’ambassadeur izay hatao ny 10 sy 11 Jona 2023 hoavy izao etsy amin’ny Palais de Sport Mahamasina sy Parvis Hôtel de ville Analakely.

Voaresaka ihany koa ny mahakasika ny mpampiofana matihanina na « expert en taekwondo » ho entina hanampiana amin’ny fanomanana ireo atleta Malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy afaka volana vitsivitsy.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.