FIHAONANA TAMIN’NY IRAKA MANOKANA NY VONDRONA AFRIKANINA MISAHANA NY TANORA

Nandray ny delegasiona avy amin’ny iraka manokana ny vondrona Afrikanina misahana ny tanora izay notarahin-dRamatoa CHIDO MPEMBA Cleopatra ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ny 11 may 2023 tao amin’ny biraony, Ambohijatovo.

Noresahana nandritra izany ny fanomanana ny « Forum Humanitaire pour la Jeunesse » izay hotanterahina eto Madagasikara ny faha 15 hatramin’ny 17 may 2023 izao, ao amin’ny Hotel Novotel Alarobia.

Nanamafy izy ireo fa hisy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ho fampandrosoana ny tanora Malagasy eo amin’ny sehatra maro.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.