FIHAONANA ARA-POMBA OFISIALY MASOIVOHO FRANTSAY SY NY MINISITRY TANORA SY FANATANJAHANTENA

Fotoana fohy taorinan’ny nandraisan’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena, MARSON MOUSTAPHA Abdulah ny toerany dia tonga nitsidika azy avy hatrany ny Masoivoho frantsay, Andriamatoa Arnaud GUILLOIS ny Alakamisy faha 29 aogositra 2024.
Ny votoatin’ny fihaonana dia fiarahabana an’Atoa Minisitra amin’ny fanendrena azy hitantana ny Ministera, ary ho fanamafisana ny fiaraha-miasa mari-pototra eo amin’ny roa tonta.
Nankasitraka ny fanatrehan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fanokafana ny lalao olaimpika izay natao tany Paris ny tenany.
Navoitra nandritra ny fihaonana ny fanohizana ireo tetikasa rehetra efa nisy toy ny an’ny taranja Handisport, Rugby, Ampy’zay amin’ny lafiny fanatanjahantena. Ny lafiny tanora dia fanohizana ny fanampiana ny tanora amin’ny lafiny fandraharahana. Teo amin’ny lafiny foto-drafitrasa dia nanamafy isika ny amin’ny fangatahana fanohanana amin’ny fanavaozana ireo foto-drafitrasa toy ny Tranoben’ny Tanora ary ny fampiofanana ireo mpiasa eo anivon’ny Ministera amin’ny lafiny fitantanana sy fikojakojana foto-drafitrasa.

Autre Articles

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA FMF

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA FMF

Tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, MARSON MOUSTAPHA Abdulah, tetsy amin'ny toeram-piasany Ambohijatovo, ny 28 Aogositra 2024, ny Filohan'ny federasiona malagasy ny baolina kitra, Andriamatoa Alfred RANDRIAMANAMPISOA....

ANTSAM-PIDERANA HO AN’I MAHAJANGA

ANTSAM-PIDERANA HO AN’I MAHAJANGA

Notanterahina androany faha 25 Aogositra 2024 ny Antsam-piderana izay natolotry ny Filoham-pirenena hajaina Andry RAJOELINA mivady ho an’i Mahajanga. Nisolo tena an'Andriamatoa Filoham-pirenena nandritra izany fotoana izany ny Minisitry ny Tanora sy ny...

FIFAMINDRAM-PAHEFANA

FIFAMINDRAM-PAHEFANA

Tontosa androany faha 23 Aogositra 2024, tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahanena Mahamasina ny fanaovan-tsonian'ny fifamindram-pahefana sy fifanolorana ny antontan-taratasy ara-panjakana mahakasika ny Ministeran'ny Tanora Sy Ny Fanatanjahantena teo amin’ny Minisitry ny...