FIHAONANA ARA-POMBA OFISIALY MASOIVOHO FRANTSAY SY NY MINISITRY TANORA SY FANATANJAHANTENA

Fotoana fohy taorinan’ny nandraisan’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena, MARSON MOUSTAPHA Abdulah ny toerany dia tonga nitsidika azy avy hatrany ny Masoivoho frantsay, Andriamatoa Arnaud GUILLOIS ny Alakamisy faha 29 aogositra 2024.
Ny votoatin’ny fihaonana dia fiarahabana an’Atoa Minisitra amin’ny fanendrena azy hitantana ny Ministera, ary ho fanamafisana ny fiaraha-miasa mari-pototra eo amin’ny roa tonta.
Nankasitraka ny fanatrehan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fanokafana ny lalao olaimpika izay natao tany Paris ny tenany.
Navoitra nandritra ny fihaonana ny fanohizana ireo tetikasa rehetra efa nisy toy ny an’ny taranja Handisport, Rugby, Ampy’zay amin’ny lafiny fanatanjahantena. Ny lafiny tanora dia fanohizana ny fanampiana ny tanora amin’ny lafiny fandraharahana. Teo amin’ny lafiny foto-drafitrasa dia nanamafy isika ny amin’ny fangatahana fanohanana amin’ny fanavaozana ireo foto-drafitrasa toy ny Tranoben’ny Tanora ary ny fampiofanana ireo mpiasa eo anivon’ny Ministera amin’ny lafiny fitantanana sy fikojakojana foto-drafitrasa.

Autre Articles

VISITE DE TERRAIN A MAHAJANGA

VISITE DE TERRAIN A MAHAJANGA

Le samedi 7 septembre 2024, une délégation du Ministère de la Jeunesse et des Sports, dirigée par le Ministre MARSON MOUSTAPHA Abdulah, a effectué une visite de terrain à Mahajanga pour évaluer l'avancement des travaux sur les infrastructures sportives en...

ANKIZ’INNOV VAKANSY 2EME ÉDITION

ANKIZ’INNOV VAKANSY 2EME ÉDITION

L'innovation et la jeunesse étaient à l'honneur ce lundi 02 septembre 2024 lors de la remise des prix du challenge "Super Codeurs" dans le cadre de l'événement "ANKIZ'INNOV Vakansy"2 ème édition . Cet événement marquant, fruit d'une collaboration entre Orange Digital...

FITSIDIHANA FOTODRAFITRASA ARA-PANATANJAHANTENA

FITSIDIHANA FOTODRAFITRASA ARA-PANATANJAHANTENA

Anisany antoky ny fampandrosoana ny fanatanjahantena manerana ny faritra ny fananana fotodrafitrasa. Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin'ny faritra Vakinankaratra avy hatrany Andriamatoa Ministry Tanora sy ny Fanatanjahantena MARSON MOUSTAPHA Abdulah mba hijerena...