FENOARIVO ATSINANANA : FITOKANANA NY KIANJA MANARA-PENITRA TAO SAHAVOLA

Notanterahina ny 19 Martsa 2022 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao tao Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo.

Tonga nitokana izany ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA izay notronin’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, TINOKA Roberto sy ireo mpikambana sasany eo anivon’ny Governemanta ary ireo olo-manankaja ambony ao amin’ny faritra Analanjirofo.

Nandritra ny fandraisam-pitenenanana nataon’Andriamatoa Minisitra no nisaorany ny Filoham-pirenena amin’izao kianja manarapenitra izao. Ary nanasongadinany ny maha zavadehibe ny fananana foto-drafitrasa ara-panatanjahantena raitra indrindra amin’izao vanim-potoana fanomanana ny lalaon’ny Nosy izay hatao eto Madagasikara ny volana Aogositra 2023 izao.

Tsy diso anjara araka izany ny tanora sy mpanao fanatanjahan-tena eto Fenoarivo Atsinanana satria afaka mandray anjara tanteraka amin’ny fanomanan-tena.

Teo ampamaranana dia nanolotra fitaovana (baolina, fanamiana) ho an’ireo mpanao fanatanjahantena ihany koa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika ara-pomba ofisialy ny Préfet an'i Morondava sy ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Menabe ny delegasiona avy eto amin'ny Minisitera izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy, ny...

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

Notanterahana ny 7 Jolay 2023 tao amin'ny kianja Barea Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika Youth Corner izay karakarain'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Aharitra 2 andro, ny 7 sy 8 Jolay ny hetsika ary ahitana sy ahalalan'ny...