FÉDÉRATION MALAGASY MUAY-THAI: FIFIDIANANA FILOHA

Notanterahina omaly tolakandro, tao amin’ny Palais des Sports Mahamasina ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona Malagasy ny Muay-Thaï (FMMT).

Kandida tokana (1) no nilatsaka hofidiana, ka lany hitantana izany federasionina izany mandritra ny 4 taona indray Atoa RAKOTOALIZAO Haina Tiana Gervais, rehefa nahazo vato 4/4 avy amin’ireo ligy 4 tonga nifidy sy nametraka fitokisana taminy.

Tonga nanatrika izany fifidianana izany ny solon-tenan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.