FÉDÉRATION MALAGASY D’HALTEROPHILIE MUSCULATION ET DE CULTURISME: FIFIDIANANA FILOHA

Tanteraka anio Zoma faha-7 Janoary 2022 teny amin’ny foiben’ny komity olaimpika Malagasy ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja haltérophilie.

Mbola nofidian’ireo ligy 8 misy eo anivon’ity federasiaona ity hitantanana izany FMHMC izany mandritra ny 4 taona, ny filoha teo aloha, RANDRIAMANARIVO Harinelina Jean Alex, izay kandidà tokana nilatsaka tamin’izany fifidianana izany, ka nahazo vato 8/8.

Nanatrika izany fifidianana izany, Atoa ANDRIANAMELANTSOA Finaritra, lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny Fitantanana sy Fanohanana ny Fanatanjahantena Avo Lenta (DASHN), eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny mpiara miasa aminy ary Atoa RAVALISON Jean Aimé solon-tenan’ny komity olaimpika malagasy (COM).

Autre Articles

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...