FARITRA IHOROMBE : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 21 May 2022 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ihosy, Faritra Ihorombe.

Tonga nitokana izany ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA izay notronin’Andriamatoa TINOKA Roberto Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Filohan’ny Antenimeram-pirenena, ny Loholona sy Solombavam-bahoaka ary ireo olo-manankaja ambony ao amin’ny Faritra Ihorombe.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataon’Andriamatoa Minisitra no nisaorany sy nankasitrahany ny Filoham-pirenena. Nasongadiny tamin’izany ny maha zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena raitra toy izao entina hikarakarana ny tanora sy hampiasaina amin’ny lafiny fanabeazana.

Fananana iaraha-manana ny fotodrafitrasa toy izao, izay hipetraka ho an’ny taranaka faramandimby ka noho izany indrindra no nanentanan’Andriamatoa Minisitra ny rehetra amin’ny fikojakojana sy fikarakarana ary indrindra ny fanajana ny Kianja.

Tsy diso anjara araka izany ny tanora sy ny mpanao fanatanjahan-tena eto amin’ny Faritra Ihorombe satria afaka mandray anjara tanteraka amin’ny fanomanan-tena sy mandray ary mikarakara lalao eto an-toerana.

Teo am-pamaranana dia nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena toy ny baolina, fanamiana, harato hoan’ny tsatokazo ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.