FARITRA ANDROY: FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA AO ANDABOLY.

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ka tsy very anjara amin’izany ny tontolon’ny Tanora sy Fanatanjahantena.

Notanterahana ny faha-17 Jona 2022 ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny kianja manarapenitra vaovao ao Andaboly Ambovombe, Faritra Androy.

Tonga nanatanteraka izany ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, notronin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, ireo mpikambana sasany eo anivon’ny Governemanta ary ireo olona manan-kaja ambony ao amin’ny Faritra Androy.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’Andriamatoa Minisitra no nisaorany ny Filoham-pirenena tsy nanadino ny faritra Androy. Nasongadiny tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena raitra manerana ny faritra hoentina hikarakarana ireo tanora sy mpanao fanatanjahantena.

Nisy ny fanolorana fitaovana ara-panatanjahantena (Baolina, fanamiana) ho an’ireo Klioba ao an-toerana nataon’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ary nampanantena ihany koa ny hanomezana « Godasse » ho azy ireo.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.