FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an’ny mpilalao sy miisa 2 ho an’ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an’ny lahy sy vavy.

Tonga nitokana izany ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, notronin’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, sy ireo mpikambana sasany ao anatin’ny Governemanta, ireo Loholona sy Solombavam-bahoaka ary ireo olo-manankaja ambony ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro.

Zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena raitra toy izao entina hikarakarana ny tanora. Fananana iaraha-manana ity foto-drafitrasa ity, izay hipetraka ho lova ho an’ny taranaka faramandimby. Tsy diso anjara araka izany ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena eto amin’ny Faritra Alaotra Mangoro satria afaka mandray anjara tanteraka amin’ny fanomanan-tena sy mandray ary mikarakara lalao eto an-toerana.

Autre Articles

FOOTBALL: FIFANITSANANA CAN 2023 MADAGASCAR 0-0 GHANA

FOOTBALL: FIFANITSANANA CAN 2023 MADAGASCAR 0-0 GHANA

Nisaraka ady sahala nanoloana ny ekipan'i Ghana ny Barean'i Madagasikara nandritra ny lalao miverina eo amin'ny fifanitsananana CAN 2023. Tonga nanotrona ny ekipam-pirenena Malagasy  ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sy ireo...

TSIPY KANETIBE: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

TSIPY KANETIBE: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

Notanterahana ny 16 jona 2023, teny amin'ny kianja filalaovana tsipy kanetibe Ivato ny fanokafana ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja tsipy kanetibe. Haharitra telo andro ity fifaninanana ity. Tonga nanome voninahitra izany ny Minisiteran'ny...

TARANJA TAEKWONDO: FITSIDIHINA ARA-POMBA OFISIALY

TARANJA TAEKWONDO: FITSIDIHINA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny delegasiona avy amin'ny Masoivohon'i Korea miasa sy monina eto Madagasikara sy ny Filohan'ny Federasiona Malagasy ny taranja Taekwondo, Andriamatoa RAMANANTSOA Christian, ny 12 jona 2023. Nandritra izany...