FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an’ny mpilalao sy miisa 2 ho an’ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an’ny lahy sy vavy.

Tonga nitokana izany ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, notronin’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, sy ireo mpikambana sasany ao anatin’ny Governemanta, ireo Loholona sy Solombavam-bahoaka ary ireo olo-manankaja ambony ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro.

Zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena raitra toy izao entina hikarakarana ny tanora. Fananana iaraha-manana ity foto-drafitrasa ity, izay hipetraka ho lova ho an’ny taranaka faramandimby. Tsy diso anjara araka izany ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena eto amin’ny Faritra Alaotra Mangoro satria afaka mandray anjara tanteraka amin’ny fanomanan-tena sy mandray ary mikarakara lalao eto an-toerana.

Autre Articles

FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO MORONDAVA

FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO MORONDAVA

Tontosa tao Morondava,ny hetsika lehibe ho fampiofanana sy famporisihina ho fampandraisana anjara bebe kokoa ny tanora amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, izay fiaraha miasa teo amin’ny DRJS sy ny DREDD MENABE. Ny Tale misahana ny fifanaraham-piaraha- miasa sy...