Taorian’ny fivoriana ara-teknika momba ny lalaon’ny nosy andiany faha-11 izay niarahana tamin’ireo Filohan’ny Federasionina sy ireo Tale Teknika eo anivon’ny federasiona tsirairay avy ny 28 febroary 2023 lasa teo dia efa miditra tanteraka ao anatin’ny asa fandrafetanana ireo filana ara-pitaovana rehetra ilaina hapetraka eny amin’ny ivo-toerana izay hampiasaina handraisana ny fifaninanana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny COJI amin’izao fotoana izao.
LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BOXE
Medaly volamena1 ary medaly volafotsy 1 no azon'ny Malagasy teo amin'ny taranja boxe mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanatrika sy nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady Minisitra mpiahay...








