FANOMANANA NY FANDRAISANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Mizotra tsara ny fametrahana ireo rafitra rehetra ho fanomanana ny handraisana ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara.

Tsy mitsahatra mikaon-doha miaraka amin’Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Filohan’ny Komity Olaimpika Malagasy, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany.

Notanterahina ny talata 12 aprily ny fivoriana mahakasika ny ara-tekinika sy ireo rafitra apetraka handrindra izany lalaon’ny Nosy andiany faha-11 izany.

Nojerena nandritra izany ny mahakasika ny fampivondronana ny mpanao fanatanjahantena, ny rafi-pitantanana rehetra handaminana ny fandraisana ny lalao ary ireo pitsopitsony rehetra izay natao hampirindra ny lamina rehetra apetraka.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.