Tontosa ny 21 jolay tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fivoriana izay niarahana tamin’ny ireo mpiara miombon’antoka sy ny Fitaleavana misahana ny Tanora rehetra eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tafiditra anatin’ny fanomanana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, izay hotanterahina any Morondava ny 12 Aogositra 2023 izao.
FITSIDIHAN’NY MINISITRA TAO MAHANORO
Taorian’ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena dia nijery ny tranoben'ny tanora tao Mahanoro ihany koa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MAMOD’ALI Hawel. Nandritra izany no nanambarany fa ho asiana fanavaozana sy hohatsaraina izany trano...








