Fanoloran’ny AFT Andavamamba boky ho an’ny Minisitera.

Notoloran’ny Alliance Française Andavamamba (AFT) boky ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny 6 may 2025. Ity hetsika ity dia natao ho fanohanana ny fanabeazana sy ny fivelaran’ny tanora amin’ny alalan’ny famakiam-boky.

Nandray an-tanana ny fifandraisana tamin’ny AFT ny Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny Alavoly (DPL) eto anivon’ny minisitera. Ny DCPDD (Direction du Civisme de la Paix et du Développement Durable) kosa no nanampy tamin’ny ny famindrana ireo boky ireo any amin’ny QG Tanora etsy Ankorondrano.

Boky miisa 64 no natolotra, izay boky mirakitra tantara foronina ho an’ny tanora. Anisan’ny manamarika ity fanomezana ity ny fisian’ny boky nosoratan’ilay poeta sy mpanoratra malaza Julien Rakotonaivo, mitondra ny lohateny: “Échos et murmures du temps jadis”.

Autre Articles

Fihaonana COP 30 any Brésil

Fihaonana COP 30 any Brésil

Mandray anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena mahakasika ny fiovaovan’ny toetrandro ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain Désiré izay tanterahina any Belém Brésil. Zava-dehibe ho an’ny tanora ny fandraisana anjara satria manana anjara...