FANOLORANA NY MARI-BONINAHI-PIRENENA « Chevalier de l’Ordre National » AN’I DÉSIRÉ RAKOTONIRINA dit DEZY MONSTRE

Tontosa ny faha 21 martsa 2023 ny fanolorana ny mari-boninahi-pirenena « Chevalier de l’Ordre National » (à titre posthume) an’i Désiré RAKOTONIRINA dit Dezy Monstre, kintan’ny baolika kitra Malagasy tamin’ny taona 70 sy 80.

Nanatanteraka izany tamin’ny alalan’ny iraky ny Filoham-pirenena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA.

Nandrafitra ny ekipam-pirenena Club M ny tenany ary nilalao tao amin’ny klioban’ny SOTEMA, ACT Tsiroanimandidy, JOS Nosy-be, DSA-Atsimondrano, ary nitana ny toerana irakiraka afovoany no nahafantatrana azy.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihin’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA dia mbola manamafy hatrany ny teny fankaherezana ho an’ny fianakaviany iray manontolo.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.