FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA TOMPONDAKAN’I AFRIKA EO AMIN’NY TARANJA JUDO SY FIBATANA FONJAMBY

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 03 aogositra 2022, ireo atleta Malagasy sy mpanazatra namiratra nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika teo amin’ny taranja judo sy ny fibatana fonjamby.

Notolorana medaly sy ny mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre de Mérite de Madagascar » ireto atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena ireto nandritra ny lanonana fanomezana mari-boninahitra.

Nasongadin’Andriamatoa Filoham-pirenena ny maha zava-dehibe amin’ny tenany manokana sy ny fitondram-panjakana ny fanohanana sy fanampiana ireo mpanao fanatanjahantena.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia misaotra sy manohana mandrakariva ary mankasitraka ny ezaka lehibe vitan’ireo atleta miaro ny voninahim-pirenena.

Eo am-pandaminana ny fandaharam-potoana handraisana manokana ireo mpanao fanatanjahantena eo amin’ny taranja hafa ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

KOMITY PARALYMPIQUE MADAGASIKARA

KOMITY PARALYMPIQUE MADAGASIKARA

Notanterahana ny 19 jona 2023, tao amin'ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha, ny fanokafana ny tetikasa vaovao eo amin'ny sehatry ny fampiroboroboana ny hetsika ara-panatanjahantena ho an’ireo manana fahasembanana eto Madagasikara. Tetikasa izay hiarahan'ny...

FOOTBALL: FIFANITSANANA CAN 2023 MADAGASCAR 0-0 GHANA

FOOTBALL: FIFANITSANANA CAN 2023 MADAGASCAR 0-0 GHANA

Nisaraka ady sahala nanoloana ny ekipan'i Ghana ny Barean'i Madagasikara nandritra ny lalao miverina eo amin'ny fifanitsananana CAN 2023. Tonga nanotrona ny ekipam-pirenena Malagasy  ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sy ireo...

TSIPY KANETIBE: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

TSIPY KANETIBE: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

Notanterahana ny 16 jona 2023, teny amin'ny kianja filalaovana tsipy kanetibe Ivato ny fanokafana ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja tsipy kanetibe. Haharitra telo andro ity fifaninanana ity. Tonga nanome voninahitra izany ny Minisiteran'ny...