FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA TOMPONDAKAN’I AFRIKA EO AMIN’NY TARANJA JUDO SY FIBATANA FONJAMBY

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 03 aogositra 2022, ireo atleta Malagasy sy mpanazatra namiratra nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika teo amin’ny taranja judo sy ny fibatana fonjamby.

Notolorana medaly sy ny mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre de Mérite de Madagascar » ireto atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena ireto nandritra ny lanonana fanomezana mari-boninahitra.

Nasongadin’Andriamatoa Filoham-pirenena ny maha zava-dehibe amin’ny tenany manokana sy ny fitondram-panjakana ny fanohanana sy fanampiana ireo mpanao fanatanjahantena.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia misaotra sy manohana mandrakariva ary mankasitraka ny ezaka lehibe vitan’ireo atleta miaro ny voninahim-pirenena.

Eo am-pandaminana ny fandaharam-potoana handraisana manokana ireo mpanao fanatanjahantena eo amin’ny taranja hafa ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika ara-pomba ofisialy ny Préfet an'i Morondava sy ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Menabe ny delegasiona avy eto amin'ny Minisitera izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy, ny...

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

Notanterahana ny 7 Jolay 2023 tao amin'ny kianja Barea Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika Youth Corner izay karakarain'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Aharitra 2 andro, ny 7 sy 8 Jolay ny hetsika ary ahitana sy ahalalan'ny...