FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA TOMPONDAKAN’I AFRIKA EO AMIN’NY TARANJA JUDO SY FIBATANA FONJAMBY

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 03 aogositra 2022, ireo atleta Malagasy sy mpanazatra namiratra nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika teo amin’ny taranja judo sy ny fibatana fonjamby.

Notolorana medaly sy ny mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre de Mérite de Madagascar » ireto atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena ireto nandritra ny lanonana fanomezana mari-boninahitra.

Nasongadin’Andriamatoa Filoham-pirenena ny maha zava-dehibe amin’ny tenany manokana sy ny fitondram-panjakana ny fanohanana sy fanampiana ireo mpanao fanatanjahantena.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia misaotra sy manohana mandrakariva ary mankasitraka ny ezaka lehibe vitan’ireo atleta miaro ny voninahim-pirenena.

Eo am-pandaminana ny fandaharam-potoana handraisana manokana ireo mpanao fanatanjahantena eo amin’ny taranja hafa ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.