FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA TOMPONDAKAN’I AFRIKA EO AMIN’NY TARANJA JUDO SY FIBATANA FONJAMBY

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 03 aogositra 2022, ireo atleta Malagasy sy mpanazatra namiratra nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika teo amin’ny taranja judo sy ny fibatana fonjamby.

Notolorana medaly sy ny mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre de Mérite de Madagascar » ireto atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena ireto nandritra ny lanonana fanomezana mari-boninahitra.

Nasongadin’Andriamatoa Filoham-pirenena ny maha zava-dehibe amin’ny tenany manokana sy ny fitondram-panjakana ny fanohanana sy fanampiana ireo mpanao fanatanjahantena.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia misaotra sy manohana mandrakariva ary mankasitraka ny ezaka lehibe vitan’ireo atleta miaro ny voninahim-pirenena.

Eo am-pandaminana ny fandaharam-potoana handraisana manokana ireo mpanao fanatanjahantena eo amin’ny taranja hafa ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

FITSIDIHAN’NY MINISITRA TAO MAHANORO

FITSIDIHAN’NY MINISITRA TAO MAHANORO

Taorian’ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena dia nijery ny tranoben'ny tanora tao Mahanoro ihany koa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MAMOD’ALI Hawel. Nandritra izany no nanambarany fa ho asiana fanavaozana sy hohatsaraina izany trano...

FEDERATION MALAGASY D’ESCRIME: FIFIDIANANA FILOHA

FEDERATION MALAGASY D’ESCRIME: FIFIDIANANA FILOHA

Notontosaina anio Zoma faha-7 Janoary 2022 teny amin’ny foiben’ny komity olaimpika Malagasy ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja escrime Voafidy hitantanana indray ity federasiaona ity mandritra ny 4 taona ny filoha teo aloha...

FEDERASIONA MALAGASY NY TARANJA JUDO: FIFIDIANANA FILOHA

FEDERASIONA MALAGASY NY TARANJA JUDO: FIFIDIANANA FILOHA

Tontosa anio alatsinainy faha-27 desambra teny amin’ny foiben’ny komity olaimpika Malagasy teny Ivandry ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja judo. Nandritra ny fifidianana izay natao tamin’ny alalan’ny visio conférence dia voafidy ho...