FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA TOMPONDAKAN’I AFRIKA EO AMIN’NY TARANJA JUDO SY FIBATANA FONJAMBY

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 03 aogositra 2022, ireo atleta Malagasy sy mpanazatra namiratra nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika teo amin’ny taranja judo sy ny fibatana fonjamby.

Notolorana medaly sy ny mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre de Mérite de Madagascar » ireto atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena ireto nandritra ny lanonana fanomezana mari-boninahitra.

Nasongadin’Andriamatoa Filoham-pirenena ny maha zava-dehibe amin’ny tenany manokana sy ny fitondram-panjakana ny fanohanana sy fanampiana ireo mpanao fanatanjahantena.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia misaotra sy manohana mandrakariva ary mankasitraka ny ezaka lehibe vitan’ireo atleta miaro ny voninahim-pirenena.

Eo am-pandaminana ny fandaharam-potoana handraisana manokana ireo mpanao fanatanjahantena eo amin’ny taranja hafa ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...