Fanolorana fitaovana ara-panatanjahantena avy amin’ny ASKIAM

Ny alakamisy 19 jona 2025 teo dia nandray ny Association Khoja Shia de Madagascar (ASKIAM) ny minisitra MARSON Moustapha. Tonga izy ireo nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny tonora sy ny atleta malagasy.

Mitsinjara toy izao ireo fitaovana natolotra:

  • baolina 100 ho an’ny taranja baolina kitra
  • baolina 50  ho an’ny taranja Volley Ball avy amin’ny Association Sportive Féminine (ASF)
  • baolina kitra 100 izay fanomezana avy amin’ny HKF sy FCK, La Réunion
  • baolina 50 ho an’ny taranja  Hand Ball avy any Maorisy
  • fanamiana 120 ho an’ny ekipa baolina kitra avy amin’i Mojiz Hkamis

Nitarika ny delegasiona avy amin’ny ASKIAM ny filohany, Andriamatoa Ismaël Ferid, sy ny tompon’andraikitra misahana ny tanora sy ny fanatanjahantena, Atoa Rajabaly Chahik.

Etsy ankilany, nadray azy ireo ny Minisitra Marson Moustapha ny Sekretera Jeneraly Ramatoa Andriamparany Mioty, ny Talen’ny Kabinetra Andriamatoa Parfait Abdou Razako, ary ireo Tale Jeneraly misahana ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Autre Articles

Fihaonana COP 30 any Brésil

Fihaonana COP 30 any Brésil

Mandray anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena mahakasika ny fiovaovan’ny toetrandro ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain Désiré izay tanterahina any Belém Brésil. Zava-dehibe ho an’ny tanora ny fandraisana anjara satria manana anjara...