Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny FIBA 3×3 AFRICA CUP 2025

Notanterahana tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny zoma 5 desambra ka hatramin’ny Alahady 07 Desambra, ny FIBA 3×3 Africa Cup 2025. Hetsika ara-panatanjahantena manana ny lanjany aty amin’ny kaontinanta afrika. ‎ ‎

Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa RASAMBANY Alain Désiré, niaraka tamin’ny Filohan’ny FIBA Africa. Nanotrona ny lanonana fanokafana ihany koa ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriamatoa GASIKARA Fenosoa. ‎ ‎

Tao anatin’ny lahateniny, dia nanamarika ny Minisitra fa ny fikirizan’ny Federasiona sy ireo atleta no nahafahana nanatanteraka ity fifaninanana ity, na dia teo aza ny zava-tsarotra nolalovan’ny firenena. ‎

‎Nohamafisin’ny Minisitra ihany koa fa ho tanterahina anaty firaisankina, firahalahiana ary filaminana ireo lalao rehetra mandritra ity hetsika lehibe ity. ‎  Nitondra ny teny firariantsoa ho an’ireo mpandray anjara rehetra izy, amin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana. ‎

‎Fanandratana ny hasin’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fandraisana ny FIBA 3×3 Africa Cup 2025 ary rehareha ho an’ny Malagasy rehetra.

Autre Articles

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Notanterahana tao amin'ny kianjan'ny kanto Mahamasina ny alahady 6 aprily 2025 ny andiany voalohany amin'ny Morengy Iarivo. Afa-po tanteraka ireo mpankafy ity taranja ara-panatanjahantena tentim-paharazana ity satria dia nomen-danja tanteraka ity taranja ity tamin'ny...