FANDALOVAN’NY MINISITRA TAO SAKARAHA

Tao aorian’Ankazoabo, dia nandalo Sakaraha sy ny Kaominina Bezaha ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD’ALI sy ny ekipany.

Tao Sakaraha, nijery ny fandrosoan’ny fanamboarana Gymnase, nijery ny Kianja Foot sy ny Basket ary nanolotra Jeu de maillots sy Baolina.

Tao Bezaha kosa, nitsidika ny Maison de Jeunesse izay mbola tsy nisy jiro sy rano. Nanome toromarika avy hatrany ny Jirama sy ny Kaominina mba hampidirana ny Jiro sy Rano ary nanolotra fitaovana ireo mpiara-miasa sy ny Ben’ny Tanàna.

Autre Articles

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...