FANARENANA NY TAKAITRA NAVELAN’NY RIVO-DOZA BATSIRAI

Araka ny toromarika avy amin’ny Filoham-pirenena, Atoa Andry RAJOELINA, mahakasika ny fijerena isam-paritra ireo voina naterakin’ny rivo-doza BATSIRAI, dia nidina avy hatrany aty Morondava, renivohim-paritra Menabe, ny Minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Atoa MAMOD’ALI Hawel, izay Minisitra mpiahy ny Faritra ihany koa.

Tonga nijery ireo zava-misy ny tenany mandritra izany ary nijery ihany koa ny lalana mampitohy an’ny Morondava sy Belo/Tsiribihina, mba hamerenana haingana ity lalana izay misy fahatapana ity ankehitriny nohon’ny rotsak’orana be loatra.

Autre Articles

FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO MORONDAVA

FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO MORONDAVA

Tontosa tao Morondava,ny hetsika lehibe ho fampiofanana sy famporisihina ho fampandraisana anjara bebe kokoa ny tanora amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, izay fiaraha miasa teo amin’ny DRJS sy ny DREDD MENABE. Ny Tale misahana ny fifanaraham-piaraha- miasa sy...