FANANGANANA SEKOLIN’NY FANATANJAHANTENA FOTOTRA ( Ecole de sport basique) ETO MORONDAVA:

Tontosa teo anivon’ny Fitaleavam-paritra Menabe ny fifantenana ireo taranja atripanofanana (modules) ho entina mampianatra eo amin’ny sekolin’ny fanatanjahantena fototra, niarahan’ny ANS (Académie Nationale des Sports), ny CNSE (Centre National des Sports Etudes) sy ireo teknisiana teo anivon’ny DRJS Menabe.

Ity tetikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny paikady fanatanterahana ny EPQ na « Education Physique de Qualité », mikendry ny fanomanana ny ankizy latsaky ny 12 taona, eny amin’ny fanabeazana fototra.

Ireto avy ireo taranja sy atripanofanana (modules pratiques) amin’izany: Baolina kitra 4 – Atletisma 4 – Basikety 4 – Jeux d’opposition 3.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.