FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

Notontosaina teto amin’ny ANS Ampefiloha ny fotoam-pamaranana ny fampiofanana izay natao ny 17 hatramin’ny 20 aprily 2023 lasa teo hoan’ireo mpanentana eo anivon’ny toerana fanetseham-batana.

Ny tanjona dia hampiasaina amin’ny fanabeazana sy fampiroboroboana ny fihetsehana ara-batana mirindra (Éducation et développement de la motricité) izay nokarakarain’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra  (CUA) sy ny Akademia Nasionaly momba ny fanatanjahatena (ANS) iarahany amin’ireo mpiara-miombon ’Antoka Fondation Axian sy ny Hetsika Mvola.

Nofaranana ny faha 25 aprily 2023 ny fotoam-pamaranana ny fiofanana teto amin’ny ANS ampefiloha hoan’ireo mpampianatra eo anivon’ny sekoly fanabeazana fototra sy mpanentana ara-panatanjahatena miisa 37 eo anivon’ny boriboritany 6 mandrafitra ny kaominin’Antananarivo renivohitra izay ahitana toerana maromaro toy izao :

  • CISCO Tana Ville naome Mpanabe ambaratonga voalohany
  • Ny Akany ao amin’ny CUA
  • Ny association TANA
  • Ny association Grandir dignement
  • Associatio Un Enfant c’est l’Avenir
  • Association Un Enfant par la main

Autre Articles

FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO MORONDAVA

FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO MORONDAVA

Tontosa tao Morondava,ny hetsika lehibe ho fampiofanana sy famporisihina ho fampandraisana anjara bebe kokoa ny tanora amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, izay fiaraha miasa teo amin’ny DRJS sy ny DREDD MENABE. Ny Tale misahana ny fifanaraham-piaraha- miasa sy...