FAMPIOFANANA ARAK’ASA: FANDRAHARAHANA EO AMIN’NY TONTOLON’NY FANATANJAHAN-TENA

Notontosaina omaly Alarobia faha-15 desambra 2021, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana tanora amin’ny fandraharahana eo amin’ny tontolon’ny Fanatanjahantena.

Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Atoa MAMOD’ALI Hawel, ny Tale Jeneraly ny Fanatanjahantena, Rtoa Rosa RAKOTOZAFY, ny Tale Jeneralin’ny Tanora, Rtoa Norohaingo RAKOTOSEHENO, ary ny Tale misahana ny Fanohanana ny Fanatanjahantena Avo Lenta, Atoa Aina ANDRITERAKANDRIANA.

Nasongadin’ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena tamin’ny fandraisam-pitenenana izay nataony ny maha zava-dehibe ny fametrahana ny tanora ho tompon’andraikitra dieny izao.

Tsy maintsy misy ezaka manokana lehibe ao anatin’izany satria miankina amin’ny fahazotoana sy fahavononan’ny tsirairay ihany no ahatratrarana ny tanjona izay ilaina fanomanana, fiofanana, fanamafisana traikefa ary fahaizana miara-miasa amin’ny karazan’olona rehetra.

Tanora 40 no misitraka izany ary maharitra 5 andro ny fampiofanana izay tanterahin’ny La Maison des Sports, miaraka amin’ny Ambassade de France ary ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena ary ireo mpandraharaha sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay manao ny fampiofanana sy ny fifampiresahana amin’ireo Tanora mitondra ny traikefa rehetra ananany.

Zava-dehibe ny fampahafantarana ny tanora fa azo atao tsara ny manatanteraka drafitr’asa ao amin’ny sehatry ny fanatanjahantena izay mitarika fampananana asa.

Maro ireo asa mifandraika amin’ny fanatanjahantena zay azo trandrahana, anisan’izany ohatra ny fanamboarana fitaovana ara-panatanjahantena isankarazany (baolina, maillots, survêtements…) ; ao koa ny fomba fikarakarana lalao ara-panatanjahantena izay ilaina traikefa (Organisation d’événement sportif), fifandraisana ara-panatanjahantena sy varotra manodidina izany (communication et marketing du sport), fitantanana manodidina ny fanatanjahantena na management du sport, sns…

Manana ny anjara toerany ny fanatanjahantena amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy amin’ny lafiny fifaninana ihany fa amin’ny fampananana asa izay tsy maintsy miainga amin’ny fampiofanana.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.