FAMPIOFANANA ARAK’ASA: FANDRAHARAHANA EO AMIN’NY TONTOLON’NY FANATANJAHAN-TENA

Notontosaina omaly Alarobia faha-15 desambra 2021, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana tanora amin’ny fandraharahana eo amin’ny tontolon’ny Fanatanjahantena.

Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Atoa MAMOD’ALI Hawel, ny Tale Jeneraly ny Fanatanjahantena, Rtoa Rosa RAKOTOZAFY, ny Tale Jeneralin’ny Tanora, Rtoa Norohaingo RAKOTOSEHENO, ary ny Tale misahana ny Fanohanana ny Fanatanjahantena Avo Lenta, Atoa Aina ANDRITERAKANDRIANA.

Nasongadin’ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena tamin’ny fandraisam-pitenenana izay nataony ny maha zava-dehibe ny fametrahana ny tanora ho tompon’andraikitra dieny izao.

Tsy maintsy misy ezaka manokana lehibe ao anatin’izany satria miankina amin’ny fahazotoana sy fahavononan’ny tsirairay ihany no ahatratrarana ny tanjona izay ilaina fanomanana, fiofanana, fanamafisana traikefa ary fahaizana miara-miasa amin’ny karazan’olona rehetra.

Tanora 40 no misitraka izany ary maharitra 5 andro ny fampiofanana izay tanterahin’ny La Maison des Sports, miaraka amin’ny Ambassade de France ary ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena ary ireo mpandraharaha sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay manao ny fampiofanana sy ny fifampiresahana amin’ireo Tanora mitondra ny traikefa rehetra ananany.

Zava-dehibe ny fampahafantarana ny tanora fa azo atao tsara ny manatanteraka drafitr’asa ao amin’ny sehatry ny fanatanjahantena izay mitarika fampananana asa.

Maro ireo asa mifandraika amin’ny fanatanjahantena zay azo trandrahana, anisan’izany ohatra ny fanamboarana fitaovana ara-panatanjahantena isankarazany (baolina, maillots, survêtements…) ; ao koa ny fomba fikarakarana lalao ara-panatanjahantena izay ilaina traikefa (Organisation d’événement sportif), fifandraisana ara-panatanjahantena sy varotra manodidina izany (communication et marketing du sport), fitantanana manodidina ny fanatanjahantena na management du sport, sns…

Manana ny anjara toerany ny fanatanjahantena amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy amin’ny lafiny fifaninana ihany fa amin’ny fampananana asa izay tsy maintsy miainga amin’ny fampiofanana.

Autre Articles

MOTOCROSS DES NATIONS

MOTOCROSS DES NATIONS

Noraisin'Andriamatoa Minisitra, André Haja RESAMPA, ny 03 Aogositra 2023 ireo ekipa Malagasy eo amin'ny taranja Motocyclisme izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan'ny "Motocross des Nations" ho an'ny firenena Afrikanina, izay hotanterahina any Afrika Atsimo ny 11...

TARANJA BOXE: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

TARANJA BOXE: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

Tsy namela irery ireo mpiangaly ny taranja "Boxe" hiatrika ny lalaon'ny Nosy izay hotanterahina eto Madagasikara ny faha 25 Aogositra hatramin'ny 03 Septambra 2023 izao ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, no sady Minisitra...

LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

Ho maro ny fivezivezena eto an-toerana indrindra eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato mialoha, mandritra ary aorian'ny lalaon'ny Nosy. Nisy ny fidinana ifotony teny an-toerana ho fijerena ny pitsopitsony farany amin'ny fikarakarana izany. Tonga nanatrika izany ny...

LALAON’NY NOSY 2023 : FITSIDIHANA IREO EKIPAM-PIRENENA

LALAON’NY NOSY 2023 : FITSIDIHANA IREO EKIPAM-PIRENENA

Ho fanomanana ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 dia tonga teny amin'ny Hôtel Mada Espace By Pass ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA no sady Minisitra mpiahy ny taranja Boxe sy ny taranja Cyclisme niaraka tamin'ireo mpiara...

EISA (Electoral Institut for Democracy Sustainable in Africa)

EISA (Electoral Institut for Democracy Sustainable in Africa)

Tonga nitsidika ara-pomba fanajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny 26 jolay 2023 teo, ny solontena avy amin'ny EISA izay notarihan'Andriamatoa Valdiodio NDYAIE. Nandritra ny fihaonana no nandinihina sy nanaovana fifanakalozan-kevitra momba ireo endrika...

FIRAISAN’NY SKOTISMA ETO MADAGASIKARA

FIRAISAN’NY SKOTISMA ETO MADAGASIKARA

Noraisin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, tao amin'ny biraony Ambohijatovo ny 26 jolay 2023 ireo tanora skoto 15 lahy izay hisolontena an'i Madagasikara mandritra ny fihaonamben'ny Skoto na Jamboree skoto maneran-tany andiany faha 25 Ny fikambanana skoto...