FAMPANDROSOANA NY SEHATRY NY FANATANJAHANTENA SY NY TANORA AO MENABE

Miatrika avy hatrany ny asa fanatanterahana ireo vina ho an’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ao amin’ny Faritra Menabe ireo iraka manokan’Atoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Teknisiana tarihin’Atoa RALAIVAO Lovatiako, Sekretera Jeneraly, omban’ireo tompon’andraikitra voalohany avy ao amin’ny ANS, TAFITA, INJ, CNSE no mitarika ny asa amin’ireto sehatra 5 ireto :

– Sekolin’ny fanatanjahantena

– Fampiroboroboana ny fanatanjahantena amin’ny tora-pasika

– Fotodrafitrasa sy fampitaovana

– Fiofanana fahaiza-miatrika fiainana sy vonjy aina

– Tosika ho an’ny fandraharahana.

Nanomboka ny faha-17 febroary ny asa, izay nialohavan’ny fihaonan’ireo ekipa tamin’ny Governoran’ny Faritra sy ny Prefektioran’i Morondava ary ireo mpiasan’ny Fitaleavam-paritra.

Samy naneho ny fahavononany avy ireo tompon’andraikitra ho fampiroboroboana ny tanora sy fampandrosoana ny fanatanjahantena ato amin’ny Faritra.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.