FAMARANANA NY « ZAIKABE HO AMIN’NY FAMPANANANA ASA SY FAMPIVOARANA NY TANORA »

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny « zaikabe ho amin’ny fampananana asa sy fampivoarana ny tanora » izay notanterahina nandritra ny 2 andro teny amin’ny CCI Ivato.

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana izay tarihan’ny Filoha Andry RAJOELINA, ny fijerena ny hanohanana ny tanora Malagasy amin’ny asa hiatrehana izao vaninandro ankehitriny izao.

Marihina fa fotoana iray nahafahan’ireo tanora avy any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy nifampizara sy nifanakalo hevitra tamin’ireo namany ity hetsika ity.

Taorian’ny asam-bondrona izay nanaovan’ireo tanora fikaonan-doha dia nisy ny tsoa-kevitra niraisana izay nampitain’izy ireo tamin’ny mpikarakara toy ny OBSERVATOIRE DE LA JEUNESSE sy ireo mpiara-miombon’antoka: OIT, ONUDI, PNUD, ary ny UNFPA.

Namarana izany zaikaben’ny Tanora izany tamin’ny fomba ofisialy, Ramatoa RAZANAMASY Tsikitsiky, Tale Jeneraly misahana ny Tanora, izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto.

Nambarany tamin’ny lahateniny fa ny fampandrosoana ny firenena dia tsy andrasana ho tonga ho azy fa miainga amin’ny tsirairay sy ny isam-batan’olona ary miparitaka tsikelikely ka mipaka hatramin’ny firenena.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.