EISA MADAGASCAR: FAMOAHANA NY ANDIANY « TSARA JORO » AMIN’NY PROGRAMAN’ASA  » YOUNG WOMEN IN POLITICS PROGRAM »

Tontosa ny 17 novambra 2022 tao amin’ny Carlton Anosy, ny lanonana ara-pomba ofisialy namoahana ireo tanora vehivavy, izay niofana amin’ny fampiroboroboana ny vehivavy eo amin’ny sehatra fahaiza-mitantana ara-demokratika, ny zon’ny maha olona ary ny fahaizan’ny olom-pirenena mandray anjara anaty fitoniana. Hetsika izay nokarakarain’ny Institut Electoral pour une Démocratie Durable en Afrique (EISA).

Tanora vehivavy miisa telo amby roapolo (23) izay mitondra ny anarana « Tsara Joro » no nisitraka izao fiofanana izao. Ny tanjon’ity fiofanana ity dia ny ahafahan’izy ireo mampiroborobo sy mampirisika ny fifidianana mari-pototra, ny fandraisana anjara ara demokratika, fampahalalana ny zo maha-olona ary fanamafisana ireo ivo-toerana miandraikitra sy misahana ny demokrasia eto Afrika.

Tonga nanotrona izany, Ramatoa Tsikitsiky Razanamasy, Directeur Général de la Jeunesse .

Nandritra ny lahateniny dia nirary soa ireto andiany ireto ahaleo ahalasana ary ahefa be amin’ny fampandrosoana ny firenena. « Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara, ary ny hazo no tsara joro, misy andry iankianana tsara » hoy hatrany ny tenany.

Autre Articles

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...