Diniky ny taranaka mifandimby: sehatra ho an’ny tanora ho amin’ny fandraisana andraikitra

Tontosa ny 12 jona 2025 tao amin’ny Lapan’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny Diniky ny Taranaka Mifandimby, izay hetsika nasionaly tafiditra ao anatin’ny tetikasa RAM 2.

Ity fihaonana ity dia natao ho sehatra ifampizaràna sy ifanakalozan-kevitra, izay nahafahan’ireo tanora avy amin’ireo faritra sivy nisitraka ny tetikasa RAM 2 niresaka mivantana tamin’ireo manampahefana sy mpiara-miombon’antoka nasionaly.

Tanjona tamin’ny dinika ny hanamafisana ny fandraisana anjaran’ny tanora amin’ny fiarovana sy fanajana ny zon’olombelona, indrindra eo amin’ny sehatra sivily sy ny demokrasia.

Tonga nanome voninahitra ny lanonana sady nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ramatoa ANDRIAMPARANY Mioty, Sekretera Jeneraly. Nanotrona ny fotoana ihany koa ireo solontena sy manampahefana avy amin’ny rafi-panjakana sy ny fikambanana mpiara-miombon’antoka.

Autre Articles

Fihaonana COP 30 any Brésil

Fihaonana COP 30 any Brésil

Mandray anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena mahakasika ny fiovaovan’ny toetrandro ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain Désiré izay tanterahina any Belém Brésil. Zava-dehibe ho an’ny tanora ny fandraisana anjara satria manana anjara...