‎D-CLIC : Novatsian’ny vondron’ny firenena miteny frantsay (OIF) fitaovana nomerika ny ivontoerana D-CLIC ho tombotsoa ho an’ireo tanora hisitraka ny tetikasa

Tontosa ny Alatsinainy 22 Desambra 2025 tao amin’ny QG Tanora Ankorondrano ny fanolorana fitaovana nomerika ho an’ny Ivoterana D-CLIC, natolotry ny Vondron’ny Firenena Miteny Frantsay na ny OIF – Organisation Internationale de la Francophonie, ho fanohanana sy fampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ny tanora eo amin’ny sehatry ny nomerika.

‎Nanatrika ny lanonana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa RASAMBANY Alain Désiré ary ny solontena maharitry ny OIF eto Madagasikara, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

‎Ireo fitaovana natolotra dia ahitana solosaina “All-in-One” miisa roa ambin’ny folo (12) miaraka amin’ireo kojakoja mifandraika aminy, izay ho sitrahan’ireo tanora hahazo tombontsoa amin’ny tetikasa « D-CLIC, Formez-vous au numerique », mikendry ny hanokatra sehatra vaovao ho an’ny tanora amin’ny fianarana sy ny asa mifototra amin’ny nomerika.

Autre Articles

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Notanterahana tao amin'ny kianjan'ny kanto Mahamasina ny alahady 6 aprily 2025 ny andiany voalohany amin'ny Morengy Iarivo. Afa-po tanteraka ireo mpankafy ity taranja ara-panatanjahantena tentim-paharazana ity satria dia nomen-danja tanteraka ity taranja ity tamin'ny...