CONFEJES – FIVORIAMBE FAHA-38 NY TOMPON’ANDRAIKITRY NY TANORA SY NY FANATANJAHATENA AMIN’NY FIRENENA MITENY FRANTSAY

Toy ny fanao isaky ny 2 taona dia hanatanteraka fivoriana faha-38 ny Confejes manomboka anio faha 23 febroary 2021 ka hatramin’ny faha 27 febroary 2021. Any Ouagadougou, Burkina Faso no hanatanterahana izany. Ny fivoriana dia hotanterahina amin’ny endrika ampitain-davitra ho an’ny firenena sasany noho ny antony ara-pahasalamana mahakasika ny Covid-19. Amin’ny maha-mpikambana feno an’i Madagasikara eo anivon’ity rafitra ity, dia mandray anjara mavitrika amin’ny programan’asa rehetra izay hatao isika. Ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa Juliana RATOVOSON sy ny Tale jeneraly misahana ny fanatanjahantena, Rosa RAKOTOZAFY no hanatrika izany fivoriana izany.

Mandritra io fivoriambe io no hanatanterahana ny fifidianana izay ho Sekretera Jeneraly vaovaon’ny Confejes. Anisany hodinihina mandritra ity fivoriana ity ny fanatsarana ny fitantanana ny Confejes, ny fampidirana fandaharan’asa vaovao mahakasika ny fialamboly izay hanampy ireo fandaharan’asa telo (3) efa misy eo anivon’ny Confejes, dia ny – « Gouvernance sectorielle » – « EPS » – « Jeunesse et sport ».

 CONFEJES – 38ÈME CONFÉRENCE MINISTÉRIELLE DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS DES PAYS FRANCOPHONES.

 Tous les deux ans, la CONFEJES organise la Conférence Ministérielle de la Jeunesse et des Sports. La 38eme réunion a lieu aujourd’hui 23 février 2021 jusqu’au 27 février 2021 à Ouagadougou, Burkina Faso. A cause de la pandémie Covid-19, ladite réunion se fera en mode hybride, c’est-à-dire en présentielle et virtuelle pour certains pays. Étant pays membre à part entière de la CONFEJES, Madagascar participe activement à tous les programmes prévus pour cette prestigieuse réunion. Madagascar, à travers le Ministère de la Jeunesse et des Sports est représenté par Le Directeur Général de la Jeunesse, Juliana RATOVOSON, et le Directeur Général des Sports, Rosa RAKOTOZAFY. L’élection du nouveau Secrétaire Général de la Confejes sera également à l’ordre du jour. La conférence est consacrée à la définition des nouvelles perspectives sur la gestion de la CONFEJES après sa cinquantenaire et à la mise en place du nouveau programme sur le volet  » Loisir  » qui servira en particulier d’appui aux trois autres programmes existants, à savoir : – Gouvernance sectorielle – EPS – Jeunesse et sport.

Autre Articles

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

MANANJARY: KIANJA MANARAPENITRA

Efa ny 95% ny asa fanamboarana ny Kianja Manarapenitra ao Mananjary no vita ankehitriny. Tsy ho ela dia ho afaka hampiasa ity fotodrafitrasa goavana ity ny tanora eto an-toerana. Ity kianja ity moa dia isan'ireo fampanantenana nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny...

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...