BETROKA: FIOFANANA LIFE SKILLS FANOITRA

Notanterahana tao Betroka nanomboka ny 01 Jolay 2022 ary naharitra efatra (4) andro ny fampiofanana mahakasika ny « Life Skills Fanoitra » na ny fahalalana fototra ho entina mahomby eo amin’ny fiainana ho an’ny Tanora.

Voafidy ho distrika filamatra amin’ny fampiharana ny programa Fanoitra ny Distrikan’i Betroka. Ny Synodam-paritany FLM no isan’ny mpiara-miasa akaiky amin’ny fampiharana izany programa izany izay ao anatin’ny fiaraha-miasa miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny ny Fiangonana.

Nampianarina mba hanana Vina izy ireo hahafahany mitsinjo lavitra ny fiainana. Nisy ny fampianarana ny « vinam-pihariana ho an’ny tena », ny « Vina ho an’ny sosialy » ary ny « vina mba hahafahana mandray andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina ».

Anisan’ny lohahevitra noresahina tamin’izany ihany koa ny ady amin’ny vohoka aloha loatra, izay tena hita matetika any Betroka ary ny ady amin’ny herisetra mihatra amin’ny ankizy sy ny vehivavy na amin’ny mahalahy sy amin’ny mahavavy.

Nisy ihany koa ny lohahevitra mahakasika ny fanabeazana sy fandriam-pahalemana, sy fampiofanana ireo tanora hiady amin’ny kolikoly. Teo ihany koa ny mahakasika ny tontolo iainana sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fiadiana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Namarana izany ny fiofanana mahakasika ny fanatanjahantena sy ny fialamboly hiatrehana ny ady amin’ny zava- mahadomelina.

Autre Articles

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...