BETROKA: FIOFANANA LIFE SKILLS FANOITRA

Notanterahana tao Betroka nanomboka ny 01 Jolay 2022 ary naharitra efatra (4) andro ny fampiofanana mahakasika ny « Life Skills Fanoitra » na ny fahalalana fototra ho entina mahomby eo amin’ny fiainana ho an’ny Tanora.

Voafidy ho distrika filamatra amin’ny fampiharana ny programa Fanoitra ny Distrikan’i Betroka. Ny Synodam-paritany FLM no isan’ny mpiara-miasa akaiky amin’ny fampiharana izany programa izany izay ao anatin’ny fiaraha-miasa miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny ny Fiangonana.

Nampianarina mba hanana Vina izy ireo hahafahany mitsinjo lavitra ny fiainana. Nisy ny fampianarana ny « vinam-pihariana ho an’ny tena », ny « Vina ho an’ny sosialy » ary ny « vina mba hahafahana mandray andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina ».

Anisan’ny lohahevitra noresahina tamin’izany ihany koa ny ady amin’ny vohoka aloha loatra, izay tena hita matetika any Betroka ary ny ady amin’ny herisetra mihatra amin’ny ankizy sy ny vehivavy na amin’ny mahalahy sy amin’ny mahavavy.

Nisy ihany koa ny lohahevitra mahakasika ny fanabeazana sy fandriam-pahalemana, sy fampiofanana ireo tanora hiady amin’ny kolikoly. Teo ihany koa ny mahakasika ny tontolo iainana sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fiadiana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Namarana izany ny fiofanana mahakasika ny fanatanjahantena sy ny fialamboly hiatrehana ny ady amin’ny zava- mahadomelina.

Autre Articles

LALAON’NY FRANKOFONIA: FANDRAISANA IREO DELEGASIONA

LALAON’NY FRANKOFONIA: FANDRAISANA IREO DELEGASIONA

Noraisin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, tao amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina ny faha 9 Aogositra 2023 ireo delegasiona Malagasy avy niatrika ny lalaon’ny Frankofonia andiany faha 9 izay natao tany Kinshasa, République Démocratique du Congo. Nandritra...

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

Ireo fandaharam-potoana mahakasika ny fankalazana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Tanora na "Journée Internationale de la Jeunesse (JIJ) izay tanterahina any Morondava: 9,10,11 Aogositra: Fiofanana mahakasika ny Lifeskills Fanoitra 11 Aogositra:...

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

Hankalazaina ny 9 hatramin’ny 12 Aogositra ho avy izao ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Tanora na ny "Journée Internationale de la Jeunesse (JIJ)",izay ho tanterahina any Morondava. "Tanora mampanjary tontolo maitso, antoky ny fampandrosoana maharitra sy lovan-jafy...

LALAON’NY FRANKOFONIA: FITSENANA IREO DELEGASIONA

LALAON’NY FRANKOFONIA: FITSENANA IREO DELEGASIONA

Tafaverina an-tanindrazana ny 08 Aogositra 2023 ireo delegasiona Malagasy izay nitondra avo ny voninahim-pirenena nandritra ny lalaon'ny frankofonia izay natao tany Kinshasa, République Démocratique du Congo. Laharana faha 13 no misy an'i Madagasikara ary nahazo...