BASKETBALL N1B : FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIAKARA

Notanterahana ny 18 jona 2023 ny famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy N1B taranja Basketball, izay natao tany Morondava ny 10 hatramin’ny 18 Jona 2023 lasa teo.  Miarahaba ny ekipan’ny COSFA izay voahosotra ho tompondaka ny taona 2023.

Notolorana fanomezana avokoa toy ny baolina sy fanamiana ireo ekipa efatra voalohany, izay avy amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA.

Tonga nanatrika izany ny Talen’ny kabinetra eto anivon’ny Ministera, Colonel RALAIKOTO Hajatiana, izay nisolotena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Nandritra ny lahateniny no nisaorany ny Faritra Menabe naneho firaisankina tamin’ny fampiantranona izany ary nisaotra ihany koa ny Federasiona Malagasy ny taranja Basketball sy ny Ligim-paritra Menabe tamin’ny fahatontosana ity fifaninanana ity.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.