Baolina kitra :Fanomanana ny lalao mandroso sy miverina amin’ny fihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy Cote d’Ivoire

Mandeha araka ny tokony ho izy ny fanomanana ireo lalao 2 izay hihaonan’i Madagasikara sy Côte d’Ivoire ny faha-12 sy faha-17 ny volana Novembre izao. Araka ny efa noresahina teo aloha dia misy ny Comité mixte de préparation izay iarahan’ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahan-tena sy ny Federasiona Malagasy ny Baolina an-kitra miaraka amin’izany fanomanana rehetra izany.

Ny faha-9 ny volana Novembre izao no hanomboka ny fampivondronana ireo mpilalao Malagasy na ny mpila ravinahitra any ivelany izany na ny eto antoerana.

Afaka mamonjy soa aman-tsara izany fampivondronana izany ireo mpilalao Malagasy any ivelany, rehefa mahefeno ny fepetra izay takiana amin’ny fivezivezena toy ny test PCR négatif latsaky ny 72 ora sy fananana taratasy fahazoandalana mivezivezy na attestation de déplacement, ary ny laissez-passer izay omen’ny Centre Interministériel de Crise).

Ny Ministeran’ny Fanatanjahan-tena frantsay rahateo nilaza fa ny mpanao fanatanjahan-tena matihanina na  » professionnels  » dia tsy voakasiky ny tsy fahafahana mivoaka na mivezivezy.

Na dia eo aza ny toe-draharaha izay somary mbola mampikorontana kely ny sain’ny maro noho ny zava-mitranga any Côte d’Ivoire taorian’ny fifidianana Filoham-pirenena dia miezaka isika Malagasy manao izay azo atao amin’ny fikarakarana ny mpilalao sy fanomanana azy ireo ka anisany manampy amin’izany ny fisian’ny Consul Général any an-toerana.

Ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena, Atoa TINOKA Roberto dia miara-misalahy tanteraka amin’ny fikarakarana sy fitadiavana vahaolana amin’ny lafiny rehetra mba hahatomombana izany fikarakarana rehetra izany na ny lalao mandroso izany na ny lalao miverina izay hotanterahina any Toamasina eo amin’ny Stade Barikadimy.

#Alefa_Madagasikara

Autre Articles

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...