ATRIK’ASA : RAFITRA FANAIRANA HISOROHANA MIALOHA NY DISADISA METY HITRANGA.

Mandray anjara amin’ny atrik’asa mitondra ny lohahevitra : « Rafitra fanairana hisorohana mialoha ny disadisa mety hitranga », etsy amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano ny solontena avy amin’ny Minisitera, ny 21, 22 Aprily 2022.

Fikambanana maro samihafa toy ny OBS – MADA, PNUD, Fonds Pour la Consolidation de la Paix, ONG Ravintsara, MSIS, Ivorary, AIM, Sifaka, Alliance Voahary Gasy ary SAFIDY, no miara-mientana amin’ny tanora hametraka filaminana sy fandriampahalemana maharitra na « Système d’Alerte Précoce pour la Prévention des Conflits (SAP-PC).

Andriamatoa RAJOHARISON Andrianinana, Sekretera maharitra ny CCMAJ eto anivon’ny Minisitera no nisolotena an’Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena mandritra izany atrik’asa izany.

Ny tanjona dia ny famporisihana ny olom-pirenena, indrindra ireo tanora hisitraka sy handray ny andraikiny eo amin’ny raharaham-pirenena mba hitondra fanovana.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.